Tonga tampoka nijery ny zava-misy ao amin’ny tanin’ny Tiko eny Andohatapenaka, omaly, ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, rehefa naheno fa misy miasa an-tsokosoko eny an-toerana.
Natao ihany ny tsy hitsikerana ny fitondrana, fa ity tena tsy rariny, hoy Atoa Marc Ravalomanana tompon’ny tany. « Ity tanin’ny Tiko ity, nahazo onitra avokoa ny tompon’ny tany nividiananay azy tamin’izany mialoha ny fanotofana, tsy nivoaka ny titre ara-dalàna raha tsy nisy izany». Nanomboka ny zoma alina teo moa, raha ny fitantaran’ireo mpiasa tratra teny an-toerana no nanombohan’izy ireo ny fiasana ny tany ary omaly vao naato.
Nogiazana
Nogiazan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra avy hatrany ireo kamiao telo tratra teny an-toerana noho izy ireo sady tsy nisy laharana no tsy manana fahazoan-dalana hivezivezy ary tsy nahazo alalana avy amin’ny fiadidiana ny kaominina hanototra tany. Niaraka tamin’ny mpisolovava sady nitondra ireo taratasy porofo ny maha an’ny Tiko ny tany eny Andohatapenaka indray ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana omaly. Manao fanaparam-pahefana sy didin’ny be sandry ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany, hoy ny tenany. Fakana tany izay tsy nahazoana alalana akory, araka ny fanambaran’ny filoha mpanorina ny orinasa. Tsy voahaja rahateo ireo fombafomba fanao raha misy ny fanesorana ny tompon’ny tany hataon’ny fanjakana. Tsara raha mifanatona sy mifampidinika ny roa tonta mba hifampiresahana ny momba ny fanonerana. Nandefa taratasy fanekena mikasika ny fampiasana ny tany handraisana ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia any amin’ny filohan’ny Repoblika Rajaonariampianina Hery moa ny tenany. Miverina amin’ity farany ny fananany miaraka amin’ny fotodrafitrasa miorina eo aorian’ny fahavitan’ny fampiasana azy, araka ny voasoratra ao anatin’ny taratasy. Nandefasan’Atoa Marc Ravalomanana ny kopian’io taratasy io miaraka amin’ireo sary porofo nalaina teny an-toerana ihany koa ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Nanao antso avo tamin’ny masoivoho sinoa miasa eto Madagasikara ihany koa ny filoha teo aloha.
Mirija sy Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.