Nanao fandaminana anatiny ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ho fanatsarana ny asa ao anivon’ny fiadidiana ny tanŕna.
Mitohy ny fanendrena olona sy ny mety ho fanalana olona ihany koa ao anivon’ny CUA, ho fanohizana ny fanadiovana anatiny sy ny fandrindran’asa. Notendrena ho mpanolotsaina manokan’ny Ben’ny tanàna, Atoa Marc Ravalomanana. Io fanendrena io dia nivoaka ny 26 septambra 2016. Fanamafisana ihany ny fanendrena, fa amin’ny maha vadin’ny Ben’ny tanàna azy dia izy tokoa no mpanolotsainy manokana voalohany araka ny lôjika ara-panambadiana. Ankoatra izany, efa Ben’ny tanànan’Antananarivo i Dada ka afaka manome torolalana tsara an’i Neny sy ny ekipany. Efa filoham-pirenena ihany koa izy, ka ny traikefany amin’izany rehetra izany dia ilain’ny Kaominina amin’ny fanampiana azy ireo amin’ny fampandehanana araka ny tokony hoy izy ny asany, indrindra eo amin’ny lafiny fampandrosoana ny tanàna sy ny mponina ao aminy, amin’ny fananany mpiara-miombon’antoka maro na teratany na vahiny, ho afaka hifanome tanana amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Naneho ny fahavononany hifampidinika amin’ireo mpivarotra eo Behoririka Atoa Marc Ravalomanana amin’ny handaminana ny tanàna.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.