Mitsidika ny faritr’i SAVA indray nanomboka ny alahady teo i Marc Ravalomanana.
Manara-dia azy any ny kestora fahatelon’ny antenimieram-pirenena sady depioten’ny boriborintany faha-5 Guy Rivo Randrianarisoa. Tao Andapa dia nitsidika ny hopitaly advantista i Dada, nijery ny fiainana sy ny fiahiana ireo marary mba hahafahana mitondra fanampiana. Nanome rom-patsa ho an’ireo tera-bao izy. Ankoatra izay, nanome vary ho fanampiana sy fanohanana ireo traboina noho ny rivodoza Enawo tao Andapa ihany koa izy, tena voa mafy tokoa moa iny faritra iny. Niresaka mivantana tamin’ny mponina tahaka ny fanaony i Marc Ravalomanana. ”Hanome aim-baovao ho anareo aho”, hoy izy nampanantena. Anton’ny fitetezam-paritra toy izao ny fijerena ifotony ny fiainam-bahoaka sy ny tena manahirana azy. Efa natao, atao ary hotohizana ny asa sosialy fa tsy hoe miandry propagandy na mahazo fahefana vao mihetsika, hoy i Dada satria tena mila fanampiana ny Malagasy. Mbola hijanona any amin’ny faritra SAVA amin’ity herinandro ity i Marc Ravalomanana sy ny delegasionina tarihany. Misy hatrany ny fihaonany amin’ireo mpikatroka TIM sy ny fanomezana toromarika azy ireo amin’izao diany izao.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.