Tafaverina an-tanindrazana omaly maraimbe ny filoha teo aloha sady filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara, Marc Ravalomanana rehefa nanao fitsidihana narahin’asa tany ivelany nandritra ny roa herinandro teo. Anisan’ny firenena notsidihiny ny tao Maorisy, Danemark, Korea Atsimo, Pays-Bas.
CUA
Hiatrika Filankevitry ny fitsipi-pifehezana arak’asa (CODIS) eny amin’ny Ministeran’ny asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy 67ha anio ny filohan’ny sendika SMKAR eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Dr Rakotomaharo Tsinjo.
Mananara Avaratra
Baoderôzy 200 taonina giazana efa taona vitivitsy ao Mananara Avaratra no misy mitady haka. Mitsipaka marindrano izany ireo zokiolona ao an-tanàna, izay mahatsapa fa betsaka ihany izay andramena nalaina tamin’iny faritra iny izay nefa tsy mba misy tombontsoa azon’ny any an-toerana.
Ambato boeny
Dimy lahy voasambotry ny zandary nikasa hivarotra taolam-paty tamina mpandraharaha ao an-toerana. Fasana tany Ambositra no voalaza fa nandrobana ireto taolampaty tratra ireto. Hatolotra ny Fitsarana ao Maevatanana izy dimy lahy ireo ary mitohy ny fikarohana ny mpiray tendro amin’zy ireo.
Andapa
Tovolahy kely 12 taona, zanak’olona any Antalaha no hita nirenireny tany Andapa. Nisy efa-dahy izy ireo no nanaraka 4x4 nentina vazaha ary tonga tany Bealanana ary tany no tavela. Nambarany fa zanaka mpanarato sy mpioty lavanila izy. Nanaovana antso tamin’ny haino aman-jerim-pirenena ny hamerenana azy amin’ny ray aman-dreniny.
Tambohorano
Mpanjoro roalahy, 20 sy 30 taona, avy any Nosy Vao, Kaominina Tambohorano, Distrikan’i Besalampy no tsy hita popoka efa herinandro izao raha niandriaka tany amin’ny lakandranon’i Mozambika ary nanaovana fampilazana ho an’izay mety mahita azy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.