Mafy izany te ho sitrana sy mitady fahasalamana izany ! Miaritra ny mafy raha ny tranga hita ao Toamasina, amin’ny fahatongavan’ilay sambo “Mercy Ships” mitondra dokotera sy mpitsabo mpanampy mpilatsaka an-tsitrapo manao fitsaboana maimaimpoana.
Matory eny amoron’arabe mihitsy ireo marary sy ireo mpitondra marary miandry laharana hisoratra anarana ao amin’ny Hopitaly manara-penitra Morafeno mba horaisina hotsaboina ao amin’ilay sambo. Nanomboka ny fiandohan’ity volana novambra ity izay fotoana nisokafan’ny fisoratana anarana amin’ny fitsaboana maimaimpoana ity, dia feno olona matory eo ivelan’ny hopitaly, nefa tsy mbola fantatra na ho anisan’ny horaisina hodidiana na tsia. Raha ny fanazavana azo aloha hatreto dia an-jatony eo izao ireo efa nahazo taratasy manokana hahafahany miakatra ao anaty sambo handalo fandidiana. Resaka fivontosana sy olana amin’ny molotra sy tongotra ary olan’ny vehivavy amin’ny tranon-jaza ny ankamaroan’izy ireo. Mangataka ireo marary sy ireo mpitondra marary avy lavitra ny mba hijerena azy ireo amin’ny fampiantranoana fa tena tandindomin-doza izy ireo amin’ny fatoriana ivelan’ny Hopitaly manara-penitra, manginy fotsiny ny tsy fandriampahalemana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.