Mampisavorovoro ny saim-bahoaka ny resaka fisavana ny toeram-ponenan’ny solombavambahoaka Mara Niarisy tany Ankazoabo Atsimo Toliara sy hoe nahatrarana basy sy nakana ireo omby tao amin’ny kijana azy manokana.
Nambarany tamin’ny mpanao gazety niresaka taminy omaly teny Tsimbazaza omaly fa ny tena olana amin’izy ity ka hafeninin’ny fanjakana, dia ny tsy fetezany milaza ny marina. Tena tsy nanara-dalàna ny mpitandron’ny filaminana nanatanteraka fisavana tany an-tokantranoko, hoy ity solombavambahoaka ity, satria voalohany : inona no porofo teo am-pelatanan’izy ireo nanaovana izany “perquisition” izany ? sady ny tompon-trano rahateo tsy tany an-toerana. Araka ny artikla faha-11 amin’ny lalàna fehizoro 2014-001, hoy izy, dia mazava ny voalaza fa tsisy fisavana azo ata amin’ny parlemantera am-perinasa raha tsy ahazoana alalana avy amin’ny birao maharitra tarihan’ny filohan’ny Antenimiram-pirenena. Ka ambarako etoana fa nandika lalàna ny mpitandro ny filaminana tamin’ny fanatanterahana iny hetsika iny. Raha noeritreretina ho mpangalatra aza i Mara Niarisy, hoy izy, dia tokony natao manara-dalàna ny fisavana natao tany aminy. Ambarako fa nogiazina fotsiny izao ny omby 92 tao am-balako tamin’ny voalohany avy eo tamin’ny faha-15 septambra mbola nampiana 350 indray ka ny 224 amin’ireo no tena fananako fa ny sisa fananan-kavana apetrany ao am-balan’ny tena avokoa. Any aminay any dia heveriko fa tsisy dikany manoloana ny fananan’ny olon-kafa omby 400 isa na koa 1000 isa izay mbola misy izany ankehitriny izany omby 200 mba fananako izany ka nahoana no tsy nisy fisavana an’ireo valan’olon-kafa manana omby betsaka ireo fa ny an’ny Mara Niarisy ihany no nanaovana antsojay ?
Ampanginina
1 Volana nialoha ny fisavana natao, hoy ity depiote ity, no efa tany an-toerana ireo mpitandron’ny filaminana ireo fa tsy nisy mpangalatra voasambotra na iray aza. Tena “opération” hampanginana an’i Mara Niarisy no nisy tany Ankazoabo, hoy izy, ka vao voazan’ny kolonely mpitarika ny “opération” sy ny lefitry ny distrika niaraka taminy tamin’olona noterana hijoro vavolombelona ny omby 104 dia tsisy intsony ny “opération fahalemanana” nalaza tany amin’iny Faritr’Ankazoabo iny. Raha ny amin’ny resaka basy nisy tao amin’ny tranoko dia ekeko ny fisian’izany, hoy ny depiote Mara Niarisy, saingy basy manam-tompo ary misy taratasy avokoa ireo basy ireo ary “calibre 12” fa tsy basy gasy velively izany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.