Tsy hatao tompon-trano mihono ny vahoaka Malagasy tsivakivolo sy ianareo mpanao gazety, hoy Atoa Maharante Jean de Dieu mpandrindra ny Mapar II sy III tetsy Antaninarenina omaly ka hanambarana ny zava-misy tsy am-pihambahambana eo amin’ny raharaham-pirenena. Iray ihany ny Mapar II sy III, hoy izy ka izany no mahatonga ny tenako sy ny minisitra
Ndahimananjara Johanita hifanila toerana eto. Resaka fandaminan-draharaha ny hoe II sy III araka izany, hoy izy. Misaotra ny filoha Hery Rajaonarimampianina izahay nanendry tsy am-pahasahiana ny praminisitra vaovao. Mankasitraka izany fanendrena izany ny Mapar II sy III, hoy ihany Atoa Maharante Jean de Dieu, fa nisy famporisihana firaisankina ao anatiny ary fisorohana ny ny mety hisian’ny ady politika. Misy ny filaminana sy fitoniana hoan’ny fanovam-piainana ho entin’izany. Tsy tokony hiantehatra amin’ny adilahy politika intsony isika. Mino izahay fa ny praiministra Jean Ravelonarivo dia hitondra ainga vaovao sy vahaolana amin’ny fahasahiranam-bahoaka. Ampy izay ny krizy ka manainga ny vahoaka ho tony fa tsy fotoanan’ny fambolena korontana intsony izao fa fitoriana fihavanana. Misy fomba fijery tsy mitovy no mahatonga anay ho Vpm Mmm II, hoy ny depiote Benja Urbain fa tsy miala fivondronana Vpm akory izahay ary izahay dia manohana mandrakariva ny fotokevitra hijoroan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ary manohana ny governemanta misy. Tsy raharahana filohana antoko ny fanendrena praiminisitra, hoy izy, fa anjaran’ny depiote rehefa nomena fahefana feno hanolotra izany ny filoham-pirenena. Anisan’ny nanolotra ny anaran’ny praiminisitra Jean Ravalonarivo izahay ka mankasitraka azy. Manaitra ny sain’ny vahoaka izahay Vpm Mmm tsy ho azon’ny fanakorontanana intsony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.