Velon-taraina ireo mponina sy ny mpandraharaha madinika any amin’ny manodidina an’i Mantasoa distrikan’i Manjakandriana amin’izao fotoana.
Mihena sy miha ritra andro aman’alina ny rano amin’ny farihy any an-toerana. Vanim-potoana maha ritra ny rano izao saingy tsy mbola nisy toy izao hatramin’izay, raha ny nambaran’ny mponina. Samy manana ny fanazavany moa ny rehetra manoloana izao toe-javatra izao. Ao ny milaza fa vokatry ny fahapotehan’ny tontolo iainana noho ny firongatry ny doro tanety no antony ka tsy mampirotsaka ny orana. Misy ny miteny fa mitroka rano be ny toby famokarana herinaratra any Mandraka. Tsy hay na misy ifandraisan’izao faharitan’ny rano izao ny fisian’ny orinasa goavam-be fiompiana trondro ao Ambatolaona. Mila rano betsaka tokoa ity fiompiana trondro avo lenta ity ary Mantasoa no farihy akaiky azy indrindra ka misy ny milaza fa tarihina mankao amin’io toerana io ny rano any an-toerana. Mampiasa fitaovana arifomba sy teknika avo lenta mantsy ity orinasa goavana ity. Mihena avokoa ny tosiky ny rano amin’ny toerana manodidina rehetra toy ny any amin’ny lalam-pirenena faha-2, ny any amin’ireo renirano rehetra mitohy amin’ny farihin’i Mantasoa ka misy fiantraikany amin’ny famokarana sy ny fambolena, indrindra ho an’ireo tantsaha manodidina an’i Mantasoa sy ny distrikan’i Manjakandriana ity toe-javatra ity.
Toe-javatra hafahafa
Amin’ny maha toerana mahasintona mpizahatany azy dia maro ireo vahiny no tonga any Mantasoa saingy mahagaga ihany ny fahitana azy ireo tena niha maro sy mivezivezy matetika ao an-toerana, miaraka amina fitaovana maro toy ny Quad sy ny lakana haingam-pandeha. Ny lalana rahateo tsara amin’izao noho ny fanamboarana ny ampahany ho rarivato. Efa mandeha ny resaka fa lasan’ny vahiny ny ampahan-tany betsaka any an-toerana ka izay no mampirohotra azy ireo. Maro amin’ny manampahefana ambony ankehitriny sy mpanao politika eto amin’ny firenena ihany koa no voalaza fa namaritra velaran-tany midadasika any an-toerana, ka nandritra ny vanim-potoanan’ny tetezamita no tena nampanjaka izany.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.