Hivalona afaka 24 ora ny taona 2014. Maro ny zavatra noraketiny. Anisan’ireny ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondram-panjakana ny 24 desambra 2014 teo, hamoaka ireo gadra politika mbola tavela tany am-ponja, araka ny nifanarahan’ireo filoha dimy tonta nifandimby nitondra an’i Madagasikara, Didier Ratsiraka, Pr Zafy Albert, Marc
Ravalomanana, Andry Rajoelina ary i Hery Rajaonarimampianina, nandritra ny fihaonan’izy ireo teny Ivato ny zoma 19 desambra 2014. Narahina fanamafisana sy fanazavana an-tsoratra avy amin’ny fiadidiana ny Repoblika izany fa famontsoran-keloka avy amin’ny Filohan’ny Repoblika ihany iny natao iny fa mamafa ny heloka tanteraka tsy akory. Fa nahoana no manome tsifoifoy ? Te hanasongadina ny filoha ve ireo mpiara-miasa akaiky aminy sa manararaotra ny hoe mila fankatoavan’ny Parlemanta raha amnistia na famafan-keloka no natao nefa efa nifarana ny fotoam-pivorian’ny depiote ka ho tsy tafavoaka ny fonja mialoha ny faran’ny taona araka izay nifanarahana indray ireo gadra politika ? Mbola manankery ny tondrozotra izay efa lasa lalàna ary mazava voalazan’ny ny andininy faha-16 ao anatiny : “Atsahatra avokoa ny fanenjehana ny mpanohitra noho ny raharaha politika…”. Tsy misy adivarotra na adihevitra ny amin’io ! Misy rahateo ny fitohizan-draharaham-panjakana. Maro ireo gadra politika voakasiky ny rahahara 2002 sy 2009 efa nivoaka ny fonja ary nomena aministia ary nahazo fanonerana tamin’ny fahavoazana nahazo azy ka nahoana ireto andiana gadra politika ireto no tsy hisitraka izany, nefa mbola io andininy faha-16 ao anatin’ny tondrozotra io ihany no milaza fa “tsy tokony hisy fitanilana...”, ka aza manome tsifoifoy e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.