I Kanada miteny frantsay sy anglisy ary Etazonia no anisan’ny firenen-dehibe tena mahaliana ireo tanora mpianatra Malagasy maniry hanohy fianarana any ivelany amin’izao, raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny faneducation agency.
Noho ireo firenen-dehibe ireo hahazoana tombontsoa bebe kokoa no sady hahafahana mivoatra amin’ny teny hampiasaina izay tsy mijanona amin’ny teny frantsay fotsiny no anton’izany raha araka ny fanazavan’Andrianirina Mialy, tompon’andraikitry ny serasera ao amin’ity ivon-toerana iray ity izay tsiahivina fa manampy ireo mpianatra maniry hanohy fianarana any ivelany. Ny lalam-piofanana fitantanana kosa no tena mahaliana azy ireo ka ireo afaka baka no betsaka indrindra mikatsaka izany. Tsiahivina moa fa ny miankina amin’ny naotin’ny mpianatra sy ny fifehezany ny teny vahiny no hahafahany manohy fianarana any amina oniversite iray lehibe any ivelany na tsia. Mikasika ny fikarakarana sy ny fanaraha-maso ireo mpianatra nalefan’ity agence iray ity kosa dia nanamafy izy ireo fa tsy mitsahatra ny mifandray amin’ireo mpianatra ny amin’ny olana mety mahazo azy ary mirotsaka an-tsehatra avy hatrany raha ilaina izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.