Actualités

MANODIDINA IZAY HISEHO AO IAVOLOHA


  • Alakamisy 08 Janoary 2015

Dia haresaka indray Iavoloha Fa ho ao `reo filoha teo aloha, Ary koa `reo filoham-piangonana `Zay nampisy ny fifanatonana.

Dia hiakatra indray `rony feo,

Sy kabary efa toa mankaleo.

Hilazàna an`ireo toky fitaka

Hampifaly sy mba hampibitaka.



Dia ho ao ny fampanantenana,

Sy ny lainga fandrenao mazàna.

Handokafana ireo kely vita

Sy ny lalana hahatafita.



Dia  hampiesona ny fitondrana

Fa  ho resiny ny fahantrana,

Ary hiakatra ny harin-karena

Ka hisondrotra ny firenena.



Nefa anie izy ireo `zay miteny

Ny hitsitsy dia fady azy ireny !

Fa dia `retsy vahoaka efa maina

No mizaka ny tsy eran`ny aina !



… Koa dia resaka ny ao Iavoloha.

Ny mpitondra no mila mifoha !

Efa reraka iretsy vahoaka,

Leon-kabary ka efa manoaka.

  SEDERA  RAVALISON (07-01-15)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT