Mandry tsy lavo loha ny mponina ao amin’ny fokontany Manjarisoa vokatry ny vaky trano izay tena nahazo vahana.
Tokantrano dimy be izao tao anatin’ny herinandro no lasibatra. Fokontany anisan’ny be mponina indrindra ao Mahajanga ny fokontany Manjarisoa io ary tafiditra ao anatin’ny faritra mena miaraka amin’ny fokontany Aranta. Nangataka ireo mponina ao amin’io fokontany io mba hisian’ny andriamasom-pokonolona isan’andro satria dia tsy mifidy andro hanatanterahana ny asany ireo mpanao ratsy. Tokony hanao fisafoana matetika kosa ny mpitandro ny filaminana ary hifanome tanana amin’ny andrimasom-pokonolona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.