Actualités

Mangoro Te hizaka tena ho Faritra manokana


  • Alarobia 16 Novambra 2016

Mitsangana ankehitriny FIZAMANGORO na fikambanana Zanak’i Mangoro tarihan’ny filohany Atoa Rakotonirina Augustin ary hitambaran’ireo herivelona rehetra any amin’ny distrikan’i Moramanga sy Anosibe An’ala iny.

 

Fikambanana milaza ho tsy manao politika afa-tsy ny politikam-pampandrosoana izy io. Mahatsiaro izy ireo, araka ny nambaran’ny Sekretera Jeneraliny, Atoa Randriamamiarizafy Ignace   mpandraharaha, fa mitanila amin’ny ankapobeny ny fampandrosoana ny Faritra Alaotra Mangoro. satria Saika mivangongo any Alaotra avokoa mantsy ny fanapahan-kevitra rehetra vao miverina aty aminay aty Mangoro ny ampahany nefa izahay dia manana herijika manokana ny hampandroso ny misy anay ho Faritra manokana. Misy ato aminay Ambatovy mpitrandraka harena ankibon’ny tany, ny ala lehibena hazo “Pins” sy ny fitrandrahana azy, ny toerana malaza hampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany toy ny ao amin’ny “Parc national Andasibe”. Mino izahay fa tsy handraraka ilo mby an-doha hanohana ny hetahetanay hizaka tena manokana ara-paritra ireo olomboafidy senatera 1 sy solombavambahoaka 3 mpanao lalàna voafidy avy aty amin’ireo distrika roa ireo, hoy izy.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT