Nahazo fotodrafitrasa vaovao indray ny fampianarana ao Vakinankaratra. Notokanana omaly alatsinainy 12 oktobra mantsy ny Epp roa vaovao ho an’ny fokontany Ankerana, kaominina Mangarano, distrikan’Antsirabe faharoa sy ny Epp Camp Michelir Bevokatra Antsirabe.
Fiaraha-miasa vokatry ny fanelanelanana nataon’ny solombavambahoaka Rtoa Ravelohanitra Nirina sy ny Fiangonana « Seoul and light” avy any Korea atsimo no nahazoana ireto Epp ireto ka ny Minisitra Paul Rabary no nitokana ny fotodrafitrasa hanamarihana ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina. Ho an’Ankerana dia tombony an’ireo mpianatra izay mandranto fianarana tany amin’ny 10 km misy ny Epp ao amin’ny renivohitry ny kaominina ny fahavitan’ireto efitrano sekoly vaovao niisa 7 ireto satria ny teo aloha dia trano zara raha ahafahana nianatra. Mpianatra manodidina ny 450 no azon’ity sekoly ity raisina manomboka izao. Miaraka amin’ny fanaka isan-karazany avy hatrany ny sekoly. Ny Epp tao Bevokatra kosa dia ny taona 2012 no nanesoran’ny polisim-pirenena azy ireo tao amin’ny tranony Camp Michelir ka nivezivezy teny ny sekoly nindrana trano. Mbola ny Misionera Koreanina ihany koa no nanome efitrano sekoly misy efitra 5, niampy efitra 5 hafa nataon’ny Minisiteran’ny fampianarana. Ankizy 340 kosa no mahazo tombony amin’ny sekoly ao Antsirabe io. Nandritra ny fitokanana ireto efitrano sekoly ireto moa dia nisy ny fizarana “Kit Scolaires” ho an’ireo mpianatra tamin’ireo sekoly roa ireo, izay nataon’ny Dren Vakinankaratra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.