Niova be, avoavo feo sy milanjalanja orona indray ianareo ry Jean ankehitriny an !
Mba marina tsy manoatra noho ireny James Bond ireny. Hummm, azoko an’eritreritra aloha fa tampohany mahita ireto loko mangamanga be manerana ny Nosy ireto indray ianareo dia manonofinofy eo hoe : manga ny lanitra e, manga ny fiainana ! Asa aloha raha izay tokoa ity mampilanjalanja orona sy maha avoavo vava anareo ity miseho ho “rôle” amin’ny tanàna ity fa raha ny hitanay isan’andro taterin’ny gazety sy amin’ny televiziona ary renay amin’ny radio anie ka mifandaka amin’izany ry Jean e. Maneno sahona avokoa ny tanàna, mbô marina e !
Marco
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.