Actualités

Manenjana ny sendikan’ny polisy “Avereno aminay ny asanay”


  • Alarobia 27 Febroary 2019

Nisy ny fivoriambe tsy ara-potoana nataon’ny sendikan’ny polisim-pirenena omaly talata 26 febroary niresahana ny lafiny fiandraketana ny fanamboarana ny pasipaoro nosintonin’ny fanjakana amin’ny polisy.

 

 

 

Asanay efa mahazatra hatramin’izay io. Asa mahazatra sy mifampiankina satria misy rahateo ny polisin’ny sisin-tany, ao ny fanaraha-maso ny lafin-tany, ny seranan-tsambo,… izany hoe tsy afa-misaraka ireo satria misy fiankinan’asa eo amin’ny sampan’asan’ny polisim-pirenena io, hoy Rakotoarisoa Louis, filoha nasionalin’ny sendikan’ny polisy sy ny inspektera. Miray feo ny polisy manerana ny Nosy satria ny avy any Antsiranana, Toamasina, Fianarantsoa, Toliara,… dia miara-mitaky amin’ny fanjakana amin’ny tsy hanesorana amin’ny polisy ny fahefana amin’ny asa efa mahazatra azy hatramin’izay, raha ny fanazavana. Tahaka izany ihany koa ny fandrindrana ny fifamoivoizana izay efa asan’izy ireo hatramin’izay. Manaiky ny sendika amin’ny tetikasan’ny filoham-pirenena hoe hiady amin’ny kolikoly, ary izay no tsindriako manokana hoe tadidio fa tsy nisy ny Bianco no efa nanangana sampandraharaha manokana ny polisy hiadiana amin’ny kolikoly, hoy io mpitarika io. Manaiky ny sendika amin’ny fanatsarana ny politikam-panjakana hiadiana amin’ny kolikoly. Efa asan’ny polisy ny misava ny fiara, ka raha misy ny manao aferana taolam-paty, vato sarobidy,… dia havela fotsiny ve fa tsy avela manao ny asany ny polisy ?. Miteraka adihevitra be ilay fampiatoana, ka ny tokony ho izy dia ny kolikoly no ampiatoana, fa ny asan’ny polisy mandeha ihany, hoy hatrany ny hafatra miantefa amin’ny fanjakana. Manana sata manokana tsy mahazo mitokona moa ny sendikan’ny polisy, izany hoe tsy mahazo midina an-dalambe. Raha misy ny fitakiana tiana hatao, dia misy hetsika hafa azonay atao, hoy izy ireo. Hanao hetsika noho izany ny sendika atsy ho atsy raha tsy mivaly ny fitakian’izy ireo.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT