Anisan’ireo kaominina hiasan’ny FID ny kaominina Mandritsara, distrikan’i Betafo. Fotodrafitrasa toy ny sekoly no natao tamin’izany tany aloha.
Amin’izao fotoana dia miverina indray ny fiaraha-miasa raha ny nambaran'ny Ben'ny tanàna Atoa Rakotondranaivo Roger ka fokontany 5 indray no nahazoana io fiaraha-miasa io dia i Miantsoarivo, Tsaratoko, Soamanandray, Miarinarivo ary Morafeno. Hisy ny tetikasa ho azon'ireo fokontany ireo mandritra ny 3 taona haharetan'ny fiaraha-miasa, ka in-droa isan-taona no hatao izany. Miainga amin'ny zava-misy eny anivon'ny fokontany sy ny filan'ny fampandrosoana no hamaritana ny asa hatao isaky ny tanàna. Izay asa misy fiantraikany mivantana amin'ny fiainan'ny mponina no hatao laharam-pahamehana, toy ny fanarenana ny lalana sy ireo tohodrano ary lakandrano miantoka ny famokaran'ny tantsaha any an-toerana, amin’ny asa tanamaro na ny HIMO. Sady hanome asa ny mponina izany no hahavitana fampandrosoana ihany koa. Hisy olona 150 isam-pokontany hiasa isak'izay misy ny tetikasa, ka ireo olona tena hita fa sahirana ara-pivelomana no hisitraka izany. Ity ilay antsoina hoe “Asa Avotra", izay tsy dia mifanalavitra loatra amin'ilay fandaharan'asan'ny filoham-pirenena "Vatsin'ankohonana".
Caius R
Caïus R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.