Mahery vaika ny rivodoza Enawo izay niditra an-tanety tany Ampahana Antalaha omaly talata 7 martsa tamin’ny 12 ora antoandro.
Olona 3 no fantatra fa maty ka lehilahy iray tany Mananara avaratra ary ankizy roa kosa tany Maroantsetra, olona miisa 468 no tsy maintsy nafindra toerana mbola tao Maroantsetra ihany. Enina no fantatra fa naratra aloha hatreto, araka ny fampitam-baovao ofisialy avy amin’ny fitondram-panjakana. Cyclone Tropical Intense no iantsoana an’i Enawo ankehitriny, 5km isan’ora ny fikisahany ary tafio-drivotra hatrany amin’ny 200 km isan’ora no entiny. Tena mahery vaika ity rivodoza ity. Mijojo hatrany ny orana matevina amin’izay faritra misy azy toa an’Antalaha, Maroantsetra, Mananara avaratra, Soanierana Ivongo, Toamasina … Mikisaka miadana miankandrefana i Enawo. Arakaraka ny maha kely ny hafainganam-pandeha no maha betsaka ny fahasimbana entin’ny rivodoza. Ny faritr’i SAVA sy Atsinanana no tena nandalovany omaly ary vinavinaina handalo eto Analamanga izy anio. Orana mikija sy rivotra mahery no entiny ary sokajian’ny teknisianina ho anisan’ireo rivodoza matanjaka indrindra nandalo teto Madagasikatra izy ity. Ao anatin’ny faritra mena na loza mitatao ka mila mitandrina fatratra ny faritra DIANA, Sofia, SAVA, Analanjirofo, Toamasina, Brickaville, Vatomandry, Alaotra, Mahajanga I sy II, Marovoay, Ambatoboeny, Maevatanana ary Tsaratanana. Araka ny fampitam-baovao azo, efa maro ny zavatra simba any Maroantsetra, Toamasina … Andrasana ny fijerena ifotony hahafantarana ny zava-misy marina. Nofoanana avokoa ny fihetsiketsehana manodidina ny fanamarihana ny 8 martsa andron’ny vehivavy manerana ny nosy, anisan’izany ny hetsika lehibe saika hotanterahana anio eny Mahamasina. Efa namoaka fanambarana ny fitondram-panjakana fa tsy mianatra ny mpianatra rehetra manerana an’i Madagasikara anio alarobia 8 martsa ary tompon’andraikitra amin’ny fanapahan-kevitra rehetra hafa ireo DREN isam-paritra ny amin’ny mety ho tohiny. Mila manara-baovao ny rehetra satria misy fivoarana ny andro ratsy ka miova araka izay ihany koa ny toromarika.Tonga nitsidika ny BNGRC moa omaly ny filoha Hery Rajaonarimampianina ary nanamafy fa tokony ho mailo ny rehetra ary efa mivonona amin’ny fanampiana ny fitondram-panjakana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.