Actualités

Mandoto - Vakinankaratra Trano 29 nodoran’ny dahalo, very ny omby 76


  • Talata 13 Oktobra 2015

Traboina tsy manan-koraisina intsony ny mponina ao Malokila, vohitra iray any amin’ny Kaominina Vasiana, Distrikan’i Mandoto taorian’ny fanafihan-dahalo nitranga tao an-toerana ny tolakandron’ny zoma lasa teo.

 

Dahalo 15 lahy mirongo basy no niakatra tanàna amin’ny andro amin’ny 4 ora tolakandro. Nodoran’izy ireo avy hatrany ny tanàna nampihorohoroana ny mponina, ka trano 29 tafo no kila hotohoto. Lasan’ireo dahalo taorian’izay ny omby miisa 76 tao an-tanàna. Niraviravy tanana, tsy afa-nanoatra ny vahoaka nanoloana ny basy mahery vaika teny an-tanan’ireo dahalo. Tsy nisy ny aina nafoy na naratra, saingy miaina tebiteby ny mponina ao amin’ity tanàna ity, nafoy avokoa ny fananan’izy ireo izay nohariana an-taonany maro. Zato mahery no tsy manan-kialofana ao Malokila amin’izao. Ny vatan-dehilahy mbola any ampanarahan-dia ireo omby very miaraka amin’ny miaramila hatry ny omaly hariva nandraisana ny vaovao. Mitebiteby ny amin’izy ireo ny havany.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT