Actualités

Manarintsoa Isotry Tonga hatreny am-baravarana ny rano


  • Alakamisy 18 Febroary 2016

Tonga hatreny am-baravaran’ny mponina ny rano etsy Manarintsoa Isotry nanomboka ny alahady teo.

 

 Vokatry ny fahasimban’ilay fantson-drano mitroka ny rano mihazo ny lakandranon’Andriantany no antony. Rehefa nanontaniana Andriamatoa Haja, tompon’andraikitra misahana ny fotodrafitrasa eo anivon’ny SAMVA dia nambarany fa nisy olana ara-teknika kely tokoa io fitaovana ao Manarintsoa ity fa vetivety dia hivaha ny olana. Ny ranon’orana be loatra no tena nahatondraka ny rano ka tsy voaangona tao anaty faritra fitahirizana intsony noho ny fahatsentsenan’ny tata-drano mitondra azy. Ankoatra izay dia anisan’ny fototry ny olana ihany koa ny fahatapahan’ny herinaratra lava. Nomarihiny fa  tsy misy hidiran’ny asa fanalana fotaka ao amin’ny lakandranon’Andriantany tanterahin’ny APIPA ity ranobe ity. Vao mainka manampy amin’ny fivarinan’ny rano aza izany. Efa nanomboka nilamina ny teny an-toerana omaly raha tonga hatreny amin’ny antsasaky ny trano ny rano teo aloha.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT