Ankoatra an’i La Réunion kely etsy Ampefiloha izay ahitana fianakaviana manodidina ny 400 isa mipetraka amin’ny trano sachet dia anisan’ny ahitana taratra ny fahantrana lalina mianjady amin’ny Malagasy ihany koa ny etsy Manarintsoa afovoany, andrefan’i La Réunion kely.
Fianakaviana an-jatony koa izy ireo no mivelona amin’ny asa fivarotana ireo korontan’entana sy kojakoja efa tsy ilaina intsony any an-tokantrano, hamidy manomboka amin’ny 50 Ar ka hatramin’ny 5.000 Ar ny farany ambony indrindra. Raha araka ny fanazavan-dRaharisoa Vololomboahangy anisan’ireo renim-pianakaviana mpivarotra eny an-toerana dia eny amin’ny bakan-jaoridira izy ireo no maka ny entana amidiny. Efa samy manana ny toerana fakany entana avokoa ny mpivarotra tsirairay. azy dia eny Antsahavola no fakany entana, asa tsy maintsy hatao isan-kariva manomboka amin’ny 6 ora sy sasany ka hatramin’ny 8 ora sy sasany alina. Tsy manasa intsony izy ireo aorian’izay fa avy hatrany dia mivarotra. Mahazo 6.000 Ar isan’andro ny mpivarotra iray rehefa tena mandeha ny tsena, 2.000 Ar rehefa tena maina. Ankoatra ny tavoahangy plastika, ireo karazana boaty kely azo averina atao boatin-tsavoka, ny kiraro tonta, ny pôketra, ny akanjo, ireo fitaovam-pianarana efa tsy ilaina intsony toy ny tapaka crayon de couleur, karazana piesy fanamboarana radio na fiara, ny rice coocker efa maty, ny finday….hita eny ihany koa ireo tapaka tafon-trano, vy fanamboaran-trano, …efa tsy ilaina intsony. Araka ny fanadihadiana natao hatrany dia olona mitovy amin’ireo mpivarotra ihany ny ankamaroan’ireo mpanjifa tonga eny an-toerana, izany hoe tena sahirana amin’ny fiainana. Asa raha mba mahalala ny fisian’io toerana io ihany ny fitondram-panjakana na tsia ? Tsara mirotsaka eny mihitsy ny filoha Rajaonarimampianina raha mitady porofo mivaingana fa hoe tena mahantra fadiranovana marina ny Malagasy maro an’isa a !
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.