Fanjakana tan-dalàna sa manao loham-boto no misy eto amintsika ankehitriny ? Ny mpitondra mihitsy no manome lesona ratsy.
Nojerem-potsiny ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ataon’ny vahiny amina faritra maro : Beanana Amparafaravola, Vohilava mananjary, Soamahamanina … Nandefasana herim-pamoretana mihitsy aza ny vahoaka. Izao indray dia nanaovana latsak’alina sy nalaina an-keriny ireo fiara nogiazan’ny kaominina fa sady tsy nisy laharana, tsy nisy taratasy, tsy nisy fahazoan-dalana hivezivezy sy hanototra tany tsy ara-dalàna. Olom-panjakana ambony mihitsy no manao tery vay manta mirongo fiadiana tamin’ny fakana ireo fiara niaraka tamina andia-miaramila. Etsy an-daniny, ny fitsarana noheverina fa mahaleotena toa zary fitaovan’ny mpitondra hanamarinan-tena sy hanenjehana ny adverserany. Dia io variraraka io ny fanivaivana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana nataona onjam-peo iray mpomba ny fitondrana eto an-drenivohitra, mikasika ny raharaha Andohatapenaka.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.