Actualités

Manao antso avo ny Jirama Aoka mba tsy hampiasa fitaovana mahery vaika anio alina


  • Alakamisy 11 Jolay 2019

Efa miomana fatratra amin’ny fiatrehana ny lalao baolina kitra hifanandrinan’ny ekipam-pirenena Barea amin’i Tunisie indray anio alakamisy alina ny rehetra.

 

 

 

 

Tafiditra ao anatin’izany ny fikarakarana sakafo hiarahan’ny mpianakavy  mihinana mandritra ny lalao. Miantso ny mpanjifa mba tsy hampiasa lafaoro sy fritteuse Rtoa Francesca Tsitohery, tompon’andraikitra voalohany misahana ny serasera eo anivon’ny orinasa JIRAMA anio alina mandritra ny ora roa monja. Toraka izany koa ny fampiasana jiro na fahitalavitra any amin’ny efitrano betsaka mba ho tombontsoan’ny rehetra.  Mety hiteraka ny fipoahan’ny transformateur mantsy izany noho ny fitombon’ny filàna, indrindra ho an’ireo mampiasa fitaovana mahery vaika mandeha amin’ny herinaratra. Mikasika ny fahatapahan-jiro nandalo teto an-drenivohitra sy ny manodidina nanomboka ny alahady hariva teo dia nomarihiny fa vokatry ny fampitomboana  herinaratra nataon’ny JIRAMA tamina toerana maro izay nihoatra noho ny mety indray. Tsy vitsy ireo tranon-jiro no lasa nijanona tsy niasa intsony ankoatra ireo cable teny amin’ny andrin-jiro sasany izay nitsonika tsy fidiny mihitsy. Afaka miantso mivantana ny JIRAMA moa ireo toerana mety mbola hisiana trangana fahapahan-jiro mandritra ny lalao CAN ka anisan’ireny ny 020 22 890 01.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT