Efa niteny izahay teo anivon’ny Hetsika Fanorenana Ifotony (HFI), hoy ny minisitra teo aloha Manantsoa Victor fa mila fanarenana ifotony sy mamerina ny fifampitokisan’ny samy Malagasy isika aloha izao vao miditra amin’ny fifidianana.
Dingana voalohany ny fampihavanam-pirenena mba hahafahantsika miatrika izao tontolo izao hivelomantsika amin’ny harentsika. Ny zava-misy ankehitriny anefa dia tsy nahavita ny adidiny ny komitin’ny fampihavanam-pirenena na CFM satria nankinina taminy araka ny andininy faha-4, andalana faha-3, ao amin’ny sata mifehy azy ireo dia tokony handray andraikitra amin’ireo zavatra mety hiteraka korontana saingy nitazam-potsiny. Tao ny fitazanany fotsiny ny tsy fahatomombanan’ny lalàm-pifidianana. Ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI koa dia tsy nahavita ny asany. Tsy tomombana ny lisi-pifidianana sy lalàm-pifidianana. Tamin’ny taona 2005 no nijanona farany ny “saisie systematique” ny lisitra. Mbola misy maty ao, misy verin-droa ary niteraka ny korontana farany teo. Ankehitriny, mila mivavaka amin’Andriamanitra isika mba tsy hisian’ny ra mandriaka eto amin’ny firenena manoloana izao korontana nateraky ny tsy fahalavorarian’ny fifidianana izao, hoy ny hafany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.