Actualités

Mananjary Vaky ny biraon’ny CENI


  • Alarobia 30 Desambra 2015

Ny fifidianana hatao ny birao vaky. Vaky ny alin’ny alatsinainy ny biraon’ny CENI ao Mananjary, faritra Vatovavy Fitovinany.

 

 Very tamin’izany ny ordinatera fitondra mandehandeha niaraka tamin’ny moto nijanona tao anatin’ilay trano ary fitaovana maromaro. Nanamarina io vaky trano io ny talen’ny informatika eo anivon’ny CENI foibe. Nanamarika anefa izy fa tsy misy fiantraikany amin’ny fizotry ny fifidianana sy ny fikirakirana ny voka-pifidianana io satria tsy nisy voakitika ny dosie.

Misy milaza fa vaky trano tsotra no nitranga satria tsy nikasika dosiem-pifidianana ireo mpangalatra, ny hafa indray anefa milaza fa misy ambadika politika. Misokatra ny fanadihadiana ka ho hita eo ny tohiny.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT