Actualités

Manandona-Antsirabe II Lehilahy tsy salama saina, saika matin’ny fitsaram-bahoaka


  • Alarobia 19 Novambra 2014

Mahoraka tato ho ato ny resaka hala-jaza sy halatra olona amin’iny lalam-pirenena faha 7 iny amin’izao fotoana ka fitsaram-bahoaka avy hatrany no ao an-tsain’ny olona rehefa misy tranga mampiahiahy

Lehilahy tsy salama saina nirenireny indray no saika niharan’ny fitsaram-bahoaka tao amin’ny kaominina Manandona ny faran’ny herinandro teo. Avy any amin’ny kaominina Andranomanelatra izy ity no nirenireny tonga hatrany Manandona. Fantatry ny mponina fa vahiny izy ary hafahafa tamin’ny mponina ny fihetsiny ka vetivety dia vory ny fokonolona ary nisambotra sy saika hidaroka. Nandray andraikitra ny Ben’ny tanàna niaro azy sy nitondra azy tany amin’ny mpitandro filaminana ary nadrara ny mponina tsy hanao fitsaram-bahoaka fa raha tsy izany dia efa saika loza no nahazo ilay olona. Rehefa natao moa ny fanadihadiana dia fantatra fa tena tsy salama saina izy saingy nambarany ihany fa avy any Andranomanelatra ny fiaviany. Nampandrenesina ny tany Andranomanelatra ka tonga naka azy ny fianakaviany ny alatsinainy lasa teo, ary fantatra fa efa nanaovana fitarainana ny fanjavonany. Efa tsy matokitoky intsony ny olona amin’izao fotoana fa izay mety mampiahiahy dia tsy manan-tsaina afa tsy hamono ihany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT