Tratry ny tsy fahasalamana tampoka i Manandafy Rakotonirina ary dia voatery naiditra hopitaly arahi-maso manokana any Paris Frantsa
Avy namonjy fivorian'ny International Liberal izay maha filoha lefitra azy aty Afrika, tany Casablanca Maraoka ity filoha nasionalin'ny antoko MFM ity ka nihazo an'i Frantsa ary tokony hanohy ny diany avy hatrany hitodi-doha aty Madagasikara no izao tratry ny tsy fahasalamana tampoka izao. Tsy tena mbola fantatra mazava ny fototr'aretiny. Na izany aza tafiditra ao anatin'ireo firenena antsoina hoe «pays à risque» i Maraoka, ka izay no mety nitazonan'ny hopitaly azy avy hatrany harahi-maso ny fahasalamany. Eo am-piandrasana ny valin'ny fangatahana fahazoan-dalana hitsidika ny filoha Ravalomanana any Antsiranana moa i Manandafy Rakotonirina amin’izao izay efa voaray tao amin'ny fiadidiana ny Repoblika tamin'ny 4 novambra 2014, iray volana lasa izay.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.