Actualités

Manamboninahitra mitazona fibaikoana « Handraisana fepetra izay tsy nahatontosa ny asany »


  • Zoma 22 Novambra 2019

Teboka valo no nanaovana tomban’ezaka an`ireo manambonihaitra mitazona fibaikoana eo anivon`ny zandarimariam-pirenena izay niainga tamin`ny tondrozotra nomena.

 

 

Anisan`izany ny fifehezana ny halatr’omby, ny fanafihana mitam-piadiana, ny ady amin`ny kolikoly, ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny fitaovam-panjakana sy ny olombelona, ny fanafihana amin`ny lalam-pirenena sy fakana an-keriny… Ireo tomponandraikitra ambony mitazona fibaikoana manerana ny nosy no tombanana tamin`ireo asa ireo. Nomena hatramin`ny faran`ny taona ireo tomponandraikitra ambony eo anivon`ny zandarimariam-pirenena hanarenana izay tsy vita. Hisy kosa ny fepetra horaisina ho an`ireo izay nahatontosa izany, hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, Jly Ravalomanana Richard. Tanjona ny hisian`ny tsy fandriampahalemana sy filaminana maharitra ao anatin`ny tany tan-dalàna. Maro ireo sakana amin`ny fanafainganana ny asa ka aoka  tsy hanaiky ireo olona tsy matihanina hibaiko ny asa. Nifarana omaly moa ny fivorian`ireo tomponandraikitra ambony eo anivon`ny zandarimariam-pirenena izay natao teny By-Pass .

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT