Actualités

Manamboninahitra lefitra Andry lehiben’ny foloalindahy


  • Talata 02 Febroary 2016

Raha ny 12 janoary no andron’ny manamboninahitra dia omaly 1 feborary kosa no nanamarihana ny andron’ny manamboninahitra lefitra (sous officier) teo Madagasikara.

 

Nahitana izay avokoa ireo toby sy lapa hiasan’izy ireo. Andry iray lehibe ao amin’ny tafika satria tetezamita eo amin’ny vatamiaramila sy ireo lehibe hiandraikitra ny fibaikoana ny manamboninahitra lefitra, hoy ny fanazavana teny amin’ny etamazaoro teny Andohalo omaly. Natomboka tamin’ny fanangan-tsaina ny lanonana. Noredonina avy eo ny hira fanevan’ny manamboninahitra lefitra ary notolorana ny gisa matavy araka ny fomba amam-panao ara-miaramila ireo manamboninahitra lehiben’ny toby sy ny kazerina. Nisy avy eo ny lalao ara-panatanjahantena ary dia nofaranana tamin’ny fiara-misakafo sy ny fiaraha-mifaly ny lanonana. Tsiahivina fa tamin’ny 1963 no nisokatra ny sekoly mpanofana manamboninahitra lefitra eto Madagasikara, ny taona 1993 no niforona ny Cosofam na ny fikambanan’ireo manamboninahitra lefitra ary ny taona 1996 no nanomboka ny fanamarihana isaky ny 1 febroary.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT