Miseholany eny amin’ny andavanandron’ny mpiasam-panjakana ankehitriny ny tsy fifankatoavana intsony eo anivon’ny governemanta sy ny antanatohatry ny fahefana ka hita taratra hatrany amin’ny ambaratongam-pahefana samihafa.
Eo anivon’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Filaminana dia misy tranga iray izay niafara hatrany amin’ny filankevi-panjakana mihitsy. Kaomisera iray no nitaraina noho ny famindran-toerana in-telo miantoana natao azy tao anatin’ny iray taona. Nikorontana noho izany ny fiainan’ity manamboninahitry ny polisy ity manontolo, indrindra fa teo amin’ny fianaran’ny zanany. Ny alarobia 16 martsa teo dia fantatra fa nesorina tamin’ny trano nipetrahany mihitsy izy tany Manakara.Nitaraina teny anivon’ny filankevi-pitondrana ity manamboninahitra polisy ity ary nahazo rariny. Araka ny vaovao voaray hatrany dia famindran-toerana noho ny fanatanterahana ny baikon’ny mpitondra no antony.
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.