Actualités

Manakara Nifampitandroka ny mpitsara sy ny dokotera


  • Zoma 06 Febroary 2015

Nafanafana ny toe-draharaha tao an-drenivohitry ny Faritra Vatovavy Fitovinany omaly. Nifampitana ny samy mpiasam-panjakana. Nisy dokotera vavy iray miasa ao Manakara mantsy niakatra fampanoavana io omaly io

. Nahiahiana ho tao ambadiky ny firehetan’ny fiarana mpitsara iray, vehivavy, miasa ao an-toerana izy. Nirohotra teny amin’ny lapan’ny Fitsarana ny fianakaviamben’ny fahasalamana ao Manakara naneho firaisankina tamin’ny olony, satria nandeha ny feo fa dia hadoboka any am-ponja ilay dokotera vavy. Niakatra avo dia avo tokoa ny maripana. Nisy anefa ny baiko midina avy aty an-drenivohitra, teo koa ny fanelanelanana samihafa nataon’ny fiangonana sy ny fiaviana ka dia navotsotra ilay dokotera. Milamindamin-dratsy ny raharaha, na izany aza dia mbola mifampiandriandry ny an-daniny sy ny an-kilany.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT