Actualités

MANAKARA


  • Zoma 22 Aprily 2016

Niantso delegasiona miisa dimy hifampiresaka aminy mikasika ny fitakian’ireo mpampianatra FRAM any Vatovavy Fitovinany ny minisitry fanabeazam-pirenena Rabary Paul.


  Niala omaly tany Manakara ireo delegasiona ireo. Mitaky ny hampitomboana ny isan’ireo mpampianatra FRAM raisina ho mpiasam-panjakana ny any Vatovavy Fitovinany, misy fari-piadidiam-pampianarana 6, fa tsy ferana ho 87 isaky ny fari-piadidiam-pampianarana toy ny an’i Bongolava izay tsy misy afa-tsy fari-piadidiam-pampianarana.

LT AMPASAMPITO
Fanaon’ny lycée technique Ampasampito ny mandefa ny mpianatra taona faharoa ao aminy manao « voyage d’études » ao anatin’ny taom-pianarana, izay mazana tanterahina alohan’ny fialantsasatry ny Paska. Fivorian’ny ray aman-drenin’ny mpianatra eo amin’ny fiandohan’ny taom-pianarana, volana oktobra na novambra, no anapahan-kevitra momba ny fanatanterahana izany, indrindra ny hoenti-manana, … ary hamafisina amin’ny kahie fifandraisan’ny mpianatra.

ANDOHARANOFOTSY
Ramatoa iray no maty tsy tra-drano nodomin’ny fiarabe, tamin’ny lalam-pirenena faha-7. Nandriaka ny rà. Tsy nisy azo nialana nenina tamin’ilay niaran-doza.

MAHAJANGA
Mandrahona ny hitory ny Kaominina ambonivohitr’i Mahajanga ny federasionan’ny mpitatitra ao an-toerana noho ny fidangan’ny hetra sy haba takiana amin’izy ireo. Miandry ny fiverenana amin’ny laoniny ny asan’ny fitsarana izy ireo vao hiroso amin’izany.

TSIROANOMANDIDY
Mitohy ny fikarohana ireo jiolahy nanafika ny Kiôska MVola tao Tsiroanomandidy tampon-tanàna ka nahavery vola enina hetsy Ariary sy finday miisa 52. Jiolahy iray voatifitra ka naratra nandritra ny fanafihana no tratra.

GOVERNEMANTA
Feno herinandro katroka anio no nijoroan’ny governemanta tarihin’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly, ahitana mpikambana miisa 32.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT