Hafahafa ny fitsokan’ny rivotra politika eto an-tanàna taorian’ny nahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana. Ny talata 14 oktobra, ampitson’ny nahatongavany mantsy dia nilaza ho ren-tany ho ren-danitra ny praiminisitra Kolo Roger fa nahazo vaovao marim-pototra ny fitondram-panjakana fa misy mifofo ny ain’ity filoham-pirenena teo aloha ity, ka izay no anisan’ny antony nametrahana azy amin’ny toerana sahaza azy ho fiarovana ny ainy
. Andro vitsy taorian’io dia niely koa ny feo ary nahoraka mihitsy fa maty i Mamy Rakotoarivelo, filohan’ny Kongresin’ny tetezamita teo aloha ary Sekretera jeneralin’ny antoko Tiako i Madagasikara. Ny mahagaga aza dia hatramin’ny mpitandro ny filaminana no mikoropaka tamin’ny sabotsy maraina fa hoe : maty eny amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana, hono, i Mamy Rakotoarivelo. Mitranga izany rehetra izany taorian’ny nanamafisan’i Mamy Rakotoarivelo tamin’ny feo hentitra teo anilan’i Marc Ravalomanana ny alatsinainy 13 oktobra 2014 nahatongavan’ity farany an-tanindrazana, fa mbola manao politika ny tenany fa tsy niala na lasa nisotro ronono araka ny feo aelin’ny sasany. Izao indray olona salama tsara, manohy ny fanaovana politika araka ny nambarany, no lazain’ny sasany fa nodimandry. Ka iza mihitsy no maniry ny hahafatesany, sa misy mifofo ny ain’ity Sekretera jeneralin’ny antoko Tiako i Madagasikara ity ? Ny fahendrena Malagasy anefa no milaza fa ny irin-ko faty no vao mainka ela velona !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.