Actualités

Mamy Rakotoarivelo Kandida ho filoham-pirenena amin’ny 2018


  • Alarobia 09 Martsa 2016

Nanamarika ny fanombohan’ny herinandro teo amin’ny tontolo politika ny fanambarana nataon’Atoa Rakotoarivelo Mamy,

 

 filohan’ny Kongresin’ny Tetezamita teo aloha fa tsy ho mpikambana ao amin’ny antoko Tiako i Madagasikara intsony ny tenany. Fa mbola vaovao hafa lehibe ihany koa ny nanambarany fa ho kandida hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena ny tenany amin’ny taona 2018. « Kandida hamerina ny herin’ny antoko Tiako i Madagasikara tamin’ny heriny tamin’ny taona 2002 ny tenako », araka ny fanazavana nomeny tamin’ny resaka nifanaovana mivantana taminy omaly. Toy ny antoko rehetra dia nandalo fotoan-tsarotra sy mora ihany koa ity antoko izay noforonin-dRavalomanana Marc ity ka nisy ny fotoana tena nampitambatra ny heriny ary nisy ihany koa fotoana izay toa nampangatsiatsiaka azy. Izao filatsahan’Atoa Rakotoarivelo Mamy ho kandida filoham-pirenena izao izany no heveriny hampiverina indray ny fivondronan-kerin’ny Tim. Fa ankoatr’izay dia mbola nampahatsiahy an-taratasy ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Vola sy ny Fitantanam-bola amin’ny fanomezana azy ny zony araka ny ambaran’ny lalàna laharana faha-2009-132 ny 21 janoary 2009 mikasika ny fitsinjovana ireo lehiben’Andrimpanjakana teo aloha, Atoa Rakotoarivelo Mamy. Araka io taratasy nalefany io dia mbola misy zony tsy tontosa ka takiany amin’ny fanjakana ny fanefana azy.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT