Nitrangana fanafihana mitam-basy teny Mamory Ivato ny tolakandron’ny sabotsy teo.
Trano fanaovambolo iray izay vao nisokatra tsy ela, sady ahitana cyber no notafihina bandy dimy lahy. Namaly ny mpiambina sivily tao. Sady voatsindrona zava-maranitra io, no nofitirin’ireo jiolahy ary dia maty tsy tra-drano. Vehivavy iray ihany koa no naratra voatsindron’antsy, saingy tsy misy atahorana ny aminy. Fotoana fohy taorian’ny fanafihana no tonga ny zandary saingy efa dila ireo jiolahy. Nanenjika azy ireo ny zandary. Mihorohoro ny teny an-toerana manoloana izao asan-jiolahy mitam-basy izao, ary maro no mametra-panontaniana satria faritra tsy dia lavitra mpitandro ny filaminana eny, nefa itrangana fanafihana toy izao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.