Tonga amin’ilay fanontaniana hafahafa fametraky ny tanora manao hoe “mamono mankaiza ?” isika izao.
Ny zava-drehetra na ny fitantanana ny firenena na ny tontolon’ny fanatanjahantena na ny sosialim-bahoaka, eny ny zava-drehetra mihitsy no ipetrahan’io fanontaniana io. Tonga avy any ampita ny mpitondra ary mirehareha fa nahazo vola be. Mipetraka amin’izay eo ilay fanontaniana hoe mamono mankaiza ? Azo tokoa ny vola fa ilay lalany, ny fanonerana azy, ny zana-bola alain’ny vahiny, ny fotoana hamerenana azy dia mbola baraingo, ka tsy hay intsony hoe mby aiza sy mankaiza isika taorian’ny fahazoana ilay vola sa dia hihinana am-bolony sy hanaiky ny hambaran’ny mpitondra, izay tsy dia mampiseho ny mangarahara sy tsy azo itokisana intsony ? Andro vitsy lasa koa izay no nahazoana ny anaram-boninahitra maha tompondaka eran-tany. Mby aiza sy mankaiza ny mba setrin’ny ezaky ny mpilalao nanandratra avo ny voninahi-pirenena ? Toa manjavozavo izay mba valim-babena ! Ny fari-piainan’ny Malagasy moa efa ela no tsy nisy sori-dalana mazava ny mba hampiakarana fa ronono an-tavy no betsaka. Tsy hay intsony hoe mamono mankaiza sy mankaiza fa ny iaraha-mahita dia milomano anaty fahantrana ny vahoaka, ary miravaka vola aman-karena ny mpitondra. Samy manana ny lalany aloha hatreto e !
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.