Fantatra izao, araka ny didim-panjakana navoakan’ny governemanta ny alatsinainy teo, ny amin’ny fiantsoana ireo mpifidy vaventy hiatrika ny fifidianana loholona ho amin’ny 28 desambra ho avy izao, hoy ny depiote Mamod Ali Hawel avy any Morondava.
Rehefa miresaka fifidianana, hoy izy, dia misy vola tsy maintsy holaniana amin’izany. Amiko manokana, tsy hitako loatra izay mahamaika hanatanterahana fifidianana loholona. Raha misy ny vola tokony holaniana amin’izany ireo ben’ny tanàna vao lany hitantana ny kaominina tsirairay avy eto Madagasikara no tohanana ara-bola ho amin’ny fampandrosoana marina ity firenena ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.