Tena efa totoim-bintana mihitsy ve ity Malagasy ity sa ny tsy fahombiazana no efa mananika hatrany amin’ny volon-doha ka ny taranaka avy no toa voaozona e ?
Nampivarahontsana ny nandrenesana omaly ny fanambaran’ny solontenan’ny minisiteran’ny Fahasalamana fa efa ho 1000 mahery ankehitriny ny isan’ireo ankizy voan’ny aretina ambalavelona manerana an’i Madagasikara. Efa eto Antananarivo ny ambalavelona, hoy ny minisitra Paul Rabary omaly. Ny tena maha very fanahy mbola velona dia ny filazan’ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana sy ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fa tsy misy vahaolana ara medikaly azo aroso aloha hatreto fa dia ny vavaka no atao misimisy. Tsy sanatria manamaivana ny fivavahana izay afaka manova ny zavatra rehetra tokoa fa raha izay no tiana hitondrana ny firenena hatramin’izay dia naninona no tsy narahina an-tsakany sy an-davany izay nolazain’ny soratra masina mba hitantanana ny firenena amin’ny fahamarinana ? Efa mihatra ny loza vao mahalala miantso an’Andriamanitra hanala ny ambalavelona ? Fa naninona no tsy nantsoina Andriamanitra hatramin’izay mba niara-niasa nentina nampandrosoana ny firenena ? Sa misy zavatra tsy azo aseho azy fa tsy maintsy afenina ? Hitany ihany anefa. Tsy tokony hatao filan-tsy mahita Andriamanitra ka rehefa tapi-dalan-kaleha vao hoe andao ho any amin’ny Ffkm hangata-pitahiana sy hifona eny amin’ny Fjkm Andrainarivo toy ny nataon’ny minisitera sy ny mpitondra fivavahana eo anivon’ny Ffkm. Hiitatra any amin’ireo Cisco manerana ny nosy moa ity fotoam-bavaka ity, manomboka eto ihany koa dia efa tokony hivonona ny fanjakana hanazava ny momba ilay ao amin’ny savaranon’andon’ny lalàmpanorenana manambara fa laika ny fanjakana malagasy fa ho avy izay fanakianana izay.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.