Mananontanona ary ahiana indray ny hisian’ny areti-mandoza toy ny «Kôlera» sy ny «Pesta», satria tsy mahita vahaolana amin’ny fandraofana ireo fako miavosa etsy sy eroa mameno tanàna masiso sy manempotra ny ao amin’ny kaominina. Hatreny an’arabe ahitana izany. Tsy tanànan’ny masoandro intsony, fa renivohitry ny fako i Toliara ankehitriny, hoy ireo mpitazana, raha ny zava-misy sy maso mahita ao Betania Scama
amin’ny lalana mihazo ny oniversite Maninday iny. Mitoby eo afovoan’arabe ny fako tsy voataona, tsy voadio intsony ka dorana sisa no hany vahaolana. Ny ao amin’ny Bazary Scama anisan’ny tsena lehibe ao Toliara dia miara-miaina ny olona (mpivarotra, mpividy) sy ny fako manempotra mamoaka fofona maimbo.
«Kôlera» sy ny «Pesta» ?
Miliba ny voalavo izay toy ny zana-tsaka telo volana ny habeny. Manginy fotsiny ny tsy fahampian’ny trano fivoahana ho an’ny daholobe (wc publique), ka manao maloto eny rehetra eny ny olona na andrin-jiro io na zoron-trano, tamboho, eny hatramin’ny arabe mihitsy. Mahazo laka ihany koa ny fanaovana maloto ankalamanjana (jangoany), lasa lava-piringa sy toeram-panariam-pako ny torapasika amoron-dranomasina, indrindra ny ao amin’ny fokontany Mahavatse. Mbola lavitra ny afo ny kitay, raha ny lafiny fahadiovana ao an-drenivohitry ny faritra Atsimo Andrefana no asian-teny, ka hanairana ny sain’ny tompon’andraikitra ho tombontsoam-bahoaka. Ary sao dia ny tompon’andraikitra mitantana ny tanàna amin’izao fotoana mihitsy no tsy afaka miatrika intsony ny anjara asany e ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.