Etazonia
Notendren’ny filoha amerikana Barack Obama ho sekreteram-panjakana misahana ny fitsarana, ny lehiben’ny fampanoavana ao amin’ny fitsarana New York, Loretta Lynch. Izy no vehivavy mainty hoditra voalohany hisahana io andraikitra io. Miandry ny fankatoavan’ny Antenimierandoholona ny fanendrena azy.
Viriosy Ebola
Hanome vola 4,02 tapitrisa dolara isanisany ny governemanta any Guinée, Liberia ary Sierra Leone ry zareo Japoney, hiadiana amin’ny viriosy Ebola.
Ady mangatsiaka
Mananontanona an’izao tontolo izao ny ady mangatsiaka vaovao noho ny krizy any Okraina, hoy ny filoha rosiana teo aloha Mikhaïl Gorbatchev (83 taona) nandritra ny fety fanamarihana ny faha-25 taona nirodanana ny rindrin’i Berlin tany alemaina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.