Mpitrosa avokoa ireo firenena rehetra manerantany. Manana tahan-trosa ambany indrindra i Arabia Saodita izay 1,6%-n’ny harinkarena vokatra anatiny. Midangana hatrany amin’ny 230% kosa io salan’isam-pitrosana io ho an’i Japon izay firenena be trosa indrindra. 52,8% izany ho an-dry zareo maorisianina ary 39% ho an’i Afrika Atsimo.
27,2% kosa ny tahan’ny trosan’ny firenena Malagasy izay tena ambany mihoatra amin’ireo notanisaina teo ireo saingy matanjaka ara-toekarena avokoa ireo firenena ireo. Mitentina hatrany amin’ny 8.418,4 miliara ariary ny trosa baben’ny vahoaka Malagasy tamin’ny volana desambra 2014 ka mila mandoa trosa 362.831 ariary avy ny isam-batan’olona, araka ny antontanisa momba ny trosa ny volana jona 2015 hita ao anatin’ny tranonkalan’ny Tahirimbolam-panjakana. Vola nindramina avy amin’ireo firenena na fikambanana vahiny ny 6.232,2 miliara ariary na 74%-n’io bolongam-bola tsy maintsy averina io. Namatsiana fandaharanasan’ireo sehatra samihafa ny 56,08%-n’ireo vola efa nivoaka tamin’ny taona 2014 raha naompana tamin’ireo fotodrafitrasa kosa ny 13,4%. Mahatratra 4.570,4 miliara ariary moa ny vinavinan’ny tetibolam-panjakana 2015 ka trosa ny 252,7 miliara ariary na 5,4% amin’izany. 40 taona ny fe-potoana handoavantsika Malagasy ireo trosa hifanarahan’ny mpitondra fanjakana nanomboka amin’ity taona 2015 ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.