Tovovavy iray antsoina hoe Bakonirina na i Bako araka ny fiantson’ireo namany azy no fantatra izao fa voatana am-ponja any Liban any nanomboka tamin’ny volana janoary lasa iny
. Very vola 4 tapitrisa Ariary (2000 dolara) ny mpampiasa azy ka izy no voatondro ho naka ilay vola. Rehefa nataon'ny polisy fanadihadiana izy dia voalaza fa niaiky fa naka ilay vola ary nomeny ny sipany. Nentin’ny tahotra sa noteren'ny polisy hanaiky ny halatra i Bako fa dia any am-ponja izy izao. Avy eto Antananarivo i Bako ary efa enin-taona niasana tany Liban. Tokony ho tapitra amin’ity volana febroary 2015 ity ny “contrat”, fifanarahana arak’asa nandehanany tany. Te hizaka zom-pirenen’i Liban ve i Bako dia manambitamby lehilahy amin'ny fanomezam-bola azy ? Ny hany fantatra hatreto aloha dia tsy mbola nandalo fitsarana izy ary ilay sipany nolazainy fa nomena ilay vola toa tsy nisy arakaraka. Ny manampahefana Malagasy moa mangina.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.