“Isaorako an’Andriamanitra aloha fa tonga soa aman-tsara eto an-tanindrazana ny tenako, raha ny zavatra iainan’ireo mpiasa Malagasy sy ireo mpiasa hafa avy amin’ny firenena mahantra ny ankamaroany, dia tena mahonena satria efa nahita mpiasa notetehan’ny mpampiasa azy mihitsy ny tenako, noho ny resaka karama sy resaka fifamaliana teo amin’izy ireo…”.
Iay no nambaran-dRamatoakely “Tatie” nanazava ny zavatra niainany tany Koweit nandritra ny 2 taona sy 3 volana, rehefa nahita tolotr’asa tamina “agence” iray ny taona 2012. “Mirahavavy izahay no niara-niala teto raha avy nanao sonia fifanarahan’asa “ara-dalàna”, ka ny zokiko izao mbola tavela any sy tena mijaly be noho izy io nandositra ny mpampiasa azy raha nahazo fandrahonana hovonoina raha nitaky ny karamany”, hoy hatrany i “Tatie”. Raha ny fanazavana azo dia mialangalana sy mandrahona mpiasa indray no ataon’ireo “agence” raha mitaraina ireo mpiasa nalainy, izay tsy avy eto Madagasikara ihany, fa eo koa ny Philippines, Inde, Nepal, Bangladesh, Sri-Lanka, Etiopia. Nefa raha vao tonga eo amin’ny seranam-piaramanidina fotsiny ireo mpiasa dia efa raofin’izy ireo ny fifanarahan’asa sy ny pasipaoro ary ny karatra rehetra eny amin’ireo mpiasa. Hany ka tena lasa andevo ireo mpiasa tonga any an-toerana satria raha 200 dolara no ifanarana amin’ny fiaingana dia 3 volana ihany no mahazo 150 dolara ary ny ambiny rehetra mandritra ny 2 taona tsy misy karama intsony. Afaka manao izay tiany koa ireo mpampiasa noho ny tsikombakomban’ireo “agence” sy fanjakana Koweiti ary ireo mpampiasa, nefa raha tratra tsy misy taratasy ireo mpiasa ka tratra an-dalana dia gadra 3 volana miampy fanolanana any am-ponja. 24ora amin’ny 24ora sy 07 andro amin’ny 07 andro no miasa ireo mpiasa ka ora 4 ihany no mba matory. “Olona ratsy loha sy tsy matahotra mamono olona ny Koweit” hoy hatrany “Tatie”, koa “manao antso avo ho an’ny fanjakana mba hanavotra ireo Malagasy mbola tavela any, fa fahafatesana no miandry azy ireo any”, hoy hatrany ity tovovavy ity miantso fandraisana andraikitra, satria efa miaro ny azy avokoa ireo firenena hafa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.