Actualités

Malagasy eto Madagasikara 0,57% no tsy miteny afa tsy ny teny Frantsay


  • Talata 22 Novambra 2016

Tafiditra tanteraka anatin’ny fihaonana an-tampon’ireo firenena miteny amin’ny ampahany na manontolo ny teny Frantsay na ny « Frankofonia » isika amin’izao fotoana izao.

 Tsara fantarina ihany ny lanjan’ny teny frantsay eto amin’ny firenena satria toy ny mihinana am-bolony ihany ny Malagasy, fa tsy mba mahalala izay andinindininy eo amin’ny fiarahamonina, fa ny hany  resahina dia ny hoe tsy maintsy hampiasaina ny teny Frantsay, marika ny fahamboniana ny teny frantsay. Raha ny antontan’isa farany dia tsy misy afa tsy 0,57% n'ny Malagasy no tsy miteny afa tsy ny teny frantsay eto amintsika. 15 ,87% kosa no mampiasa io teny io tsindraindray fa ny 83,61% no tsy miteny afa tsy ny tenin-drazany dia ny teny Malagasy. Afaka mamakafaka tsara ny tsirairay na ny mpitondra na vahoaka tsotra hoe mba manao ahoana tokoa moa ny teny Frantsay sy ny kolontsaina entiny eo anatrehan’ny fiainana andavanandron’ny Malagasy ? Ny tsy ampy eto amintsika dia ny fahaizana mandanjalanja sy maka lesona amin’ny zava-misy fa lany andro amin’ny zavatra tsy misy dikany .

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT