Azo lazaina ho ain-dehibe hiatrehana ny ho avin’I Madagasikara ny adihevitra nifanatrehan’ireo kandida ho filoham-pirenena roalahy tao amin’ny TVM.
Naneho ny heviny mikasika izany, ankoatr’ireo mpanao politika, ihany koa ny mpahay lalàna sady vavolombelon’ny tantaram-pirenena hatramin’ny taona 1991 no ho mankaty, Willy Razafinjatovo na Olala. Samy nivoy ny heviny hifidianana ny tenany izy mirahalahy, hoy izy. Lojika izany satria misarika mpifidy izy ireo. Ny tiako apetraka fotsiny dia hoe samia isika mandray sy mitsakotsako izay voalazan’izy roalahy dia raiso ny andraikitra. Maniry aho mba ho filoha mendrika no hitantana ny tanindrazako. Izaho amin’ny maha zoky raiamandrenin’ireo ahy dia anaraka amin’ny saiko sy ny heritreritro ny fanatanterahan’izay filoha eo ny fampanantenany. Indrindra ny lafiny fampiarana ny lalàna. Matetika ny mpitondra no tena manao kolikoly, indrindra, resaka “traffic d’influence” ka enga anie mba tsy ho izay intsony. Handry fahalemana anie ny tany. Tokony hanana fahendrena sy hifehy ny fiainany izy roalahy ary tokony hanaiky izay valim-pifidianana eo. Afaka maka ny toeran-ny mpanohitra izy raha tsy afa-po.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.