Mifarana anio zoma 15 novambra 2019 ny sazy nomen’ny avy eo anivon’ny holafitry ny mpisolovava ho an’ny mpahay lalàna,
Willy Razafinjatovo na ny Maitre Olala, raha ny fampahafantarana nataony omaly tetsy amin’ny fonenany etsy Ankadifotsy. Nampahatsiahiviny hatrany moa fa resaka tsy fitiavana manokana, raha ny fahitany azy, no antony nanasaziana azy herintaona. Anjaran’ny mpisolovava ny miaro olona toy izay nataony tamin’ny mpanjifany tamin’ny fotoan’androny kanefa dia nahatonga azy ho nahazo io sazy tao amin’ny filankevi-pitsipika na CODIS ao amin’ny olafitry ny mpisolovava. Rehefa nandeha ary ilay fampiatoana ahy tamin’ny asako, hoy hatrany izy, dia tokony ho afaka 48 ora no hisy fahafahana mangataka mampiato ny didy ka manana 7 andro ny vadintany ao amin’ny fitsarana tampony mandefa ny dosie any amin’ny filohan’ny fitsarana miandraikitra izany na “cours de cassation”. Rehefa tapitra izay dia alefa any amin’ny fitsarana tampony ka manana 3 andro ny filohan’ny fitsarana tampony hanekena na handavana ilay fampiatoana. Ny 9 jolay aho no nametraka ilay taratasy fangatahana fampiatoana didy farany teo kanefa dia notehirizin’ny filohan’ny fitsarana an-tampony izany, hoy ny nambarany. Tonga amin’ilay antsoina hoe “peine couverte”, araka izany, hoy izy, ity raharaha ity. Saingy na izany aza dia averiko hatrany fa salama saina tsara aho ary hiverina hiasa amin’ny alatsinainy, hoy hatrany ny tenany, na dia nanatontosa sazy tsy tokony ho nataoko aza.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.