Actualités

MAINTIRANO Mirongatra ny fanafihan-jiolahy mitam-basy


  • Alakamisy 05 Febroary 2015

Noho ny haratsian-dalana, saika isan’andro hahenoana fanafihana mitam-basy foana ataona dahalo mpanakan-dalana tato ho ato ao Betanatanana 15 km tsy hiditra ny tanànan’i Maintirano, renivohitry ny faritra Melaky

 . Ny herinandro teo iny, olona roa voatafika naratra mafy mbola tsy afa-mamindra manaraka fitsaboana hatramin’izao, rangahibe nandeha moto ny iray izay very vola dimy alina ariary. Sahy ireto andian-dahalo tanora ireto ka na hatramina tranona lehibena mpitandro filaminana voatafika.

 

Noho ny tahotra, mitsoaka tanàna ny mponina

 

Mamaivay ihany koa ny lafiny tsy fandriampahalemana any amin’ny distrikan’ Antsalova sy Morafenobe, satria goragora ny fampiharana ny “ Dina Melaky Tsy mipoly “. Noho ny tahotra an’ireo dahalo mitam-basy mamono avy hatrany, betsaka ny mponina any amin’ireo distrika telo voalaza ireo no mitsoaka ny tanànany, hoy Atoa Edmond, talem-paritry ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra any amin’ny faritra Melaky, nitafa manokana taminay omaly.

Ahiana ny mosary

 

Manampy trotraka izany, hoy hatrany ity tompon’andraiki-panjakana ambony ity, ka mampiraviravy tanana ny vahoaka any an-toerana ny firongatry ny andiam-balala (kijeja) amin’zao. Potika tanteraka ireo voly sisa tsy difotry ny rano na dia miezaka mamono valala aza ireo mpiasan’ny valala. Ny tahirim-panafody koa efa kely ny sisa, hoy ingahy DRDR. Manaitra ny avy amin’ny FAO ny mponina any an-toerana izay soloan’ny tena mba handefa angidimby haingana hamonoana ireo andiam-balala. “ Raha tsy izany dia ahiana ny mosary amin’ity taona ity “.

 

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT