Actualités

Main-tany any Androy Mandao sekoly ny mpianatra


  • Alatsinainy 25 Janoary 2016

Maina ny tany any Androy noho ny tsy fisian’ny orana. Tsy manjary avokoa ny fambolena amin’izao vanim-potoanan’ny maitso ahitra any an-toerana izao.

 

 Miantraika manokana amin’ny sehatry ny fanabeazana io tranga mampalahelo tsy fanjarian-tsakafo io. Mihena be mantsy ny isan’ireo mpianatra tonga manovo fahalalana any an-tsekoly. Voakasiky ny fandaozana lakilasy ireo fari-piadidiam-pampianarana miisa 4 ao anatin’ity faritra Androy ity dia Ambovombe, Tsihombe, Beloha ary Bekily, araka ny fanazavan’ny tale rezionalin’ny fanabeazam-paritra Rakotosambeazy Jean de Dieu. Soso-kevitra avy amin’ny Dren Androy moa ny tokony hanokafana ny toeram-pisakafoanana isaky ny sekoly any atsimon’ny nosy. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy teo teny amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena Anosy ny tolo-tanana ho an’ireo mpianatra any amin’ny faritra Androy. Hetsika izay hitohy hatramin’ny 3 febroary izao manerana ny nosy mialoha ny hanaterana ireo fanampiana voangona rehetra any Ambovombe ny 11 febroary 2016.

Ramano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT