Tovolahy roa nitainga moto no niharam-boina voadonan’ny fiara madinika ananakiray vao avy nosongonan’izy ireo noho ny fiseranana tampoka nataon’izy ireo nanoloana izany fiara nosongonany izany,
izay fihetsika mamoafady fanaon’ny mpitaingina itony kodiaran-droa itony rehefa hitsofotsofoka hisongona fiara izay izy. Maty tsy tra-drano noho ny dona mafy nahazo azy ny iray tamin’ireo tovolahy raha naratra mafy tapa-tongotra kosa ny iray hafa. Fantatra fa andeha hamonjy fodiana amin’iny faritr’Ambohimanambola iny ireo tovolahy ireto izao tratran’ny patsa iray tsy omby vava izao. Tokony ho tamin’ny 7 ora hariva tany ho any omaly alatsinainy no nitrangan’ny loza teo amin’ny toerana antsoina hoe “Raotra be” na “Sapin” araka ny fiantso azy mialoha ny hidirana ny fiholanana hihazo ny tanànan’i Mahitsy eny Ambohimanambola-Alasora.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.