Actualités

Mahery Tianasoa Hatao veloma farany eny amin’ny Magro


  • Talata 25 Aprily 2017

Tonga tao amin’ny tranon’i tompokolahy Mahery na Tianasoa Andriamanandaza Mahery mpanentana teny amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka, niondrika farany teo amin’ny nofo mangatsiakany, ny fianakaviamben’ny mpitolona teny amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka,

 

 ny fianakaviamben’ny TIM avy ao amin’ny foibe sy avy any amin’ny Faritra nahitana olom-boafidy maro, ny fianakaviamben’ny zanak’i Dada, ny fianakaviamben’ny tanànan’Antananarivo, ny namana sy tapaka tsy nahafoy ary ireo mpiara-monina taminy omaly alatsinainy 24 aprily. Filaharambe no nisy teny an-toerana ary nitohana hatramin’ny fifamoivoizana teny Behoririka ka voatery niditra an-tsehatra tamin’ny fandaminana ny polisy kaominalin’Antananarivo Renivohitra sy ireo “sécurité” teny amin’ny kianjan’ny finoana teny amin’ny Magro.  Anio talata 25 aprily dia mbola hifamotoana eny Behoririka Lot II D amin’ny 4 ora hariva hiaraka hanatanteraka ny adidy farany famangiana ny fianakaviany ny mpiara-mitolona rehetra tao amin’ny Magro. Araka ny fandaminana nifanarahana tamin’ny fianakaviana dia hoentina handalo  eny amin’ny Kianjan’ny Finoana Magro Behoririka ny razana ny marainan’ny alarobia 26  aprily izao amin’ny 7 ora sy sasany mialoha ny hitondrana azy eny amin’ny fiangonana FJKM Morarano Mandiavato hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ary hametrahana azy ao amin’ny fasan-drazany ao Morarano Mandiavato (Arivonimamo) ihany.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT